- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFaritra SAVA : Mitazona kalachnikov ireo mpanafika

Faritra SAVA : Mitazona kalachnikov ireo mpanafika

Nasesin’ny jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ny faritra tamin’ny volana lasa teo. Nisy hatramin’ny orinasa no voatafika. Nataon’ny zandary ny fanarahan-dia ary nanomboka hita tsikelikely hatramin’ny fieren’ireo jiolahy. “Tao anatin’ny fanangonam-baovao rehetra sy fanarahan-dia samihafa dia voaporofo fa tao amin’ny toerana atao hoe Ambodifamba, fokontany Beanana, distrikan’Andapa no nialokaloka ireo jiolahy rehefa avy nanao ny fanafihana. Nanatanteraka ny fisamborana ny mpitandro ny filaminana ka olona fito no azo, nisy vehivavy ny iray tamin’ireo. Ny dimy tamin’ireo olona ireo no tena nandray anjara mivantana tamin’ny fanafihana mitam-piadiana fa ny roa hafa kosa dia mpampianatrano”, raha araka ny fanazavan’ny Lietnà-Kolonely Manahirana Fils Emilio, lehiben’ny vondrom-pileovana ao amin’ny faritra SAVA. Notohizany fa tao nandritry ny fitaterana ireo mpanao ratsy avy Andapa ho any Sambava dia nisy tamin’ireo ny niezaka nanohitra ary voatery nampiasana hery. Vokatr’izany dia lavo ny roa tamin’ireo olona fito voasambotra. Ny dimy ambiny kosa dia hatolotra ny fampanoavana ao Antalaha tsy ho ela raha vao vita ny fanadihadiana. Isan’ny voamarika fa tsy misy olona avy ao amin’ny faritra tao anatin’ity tambajotran-jiolahy ity. Isan’ny manintona ny saina hatrany rehefa misy ny tranga toa izao ny amin’ny niavian’ny kalachnikov izay fitaovam-piadiana mahery vaika. Mbola niaraka tamin’ny bala 14 io basy io ary nogiazana avokoa izany. Ao anatin’ny fiakaran’ny vokatra lavanila amin’izao fotoana any amin’ny faritra voakasika ary izay no mety ho antony nitetezan’ireo jiolahy ireo ny toerana. Soa fa voafehy hangana izany. 

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici