- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFaritra Sava : « Tsy avela ho faritra mena intsony amin’ny halatra lavanila sy fitsaram-bahoaka...

Faritra Sava : « Tsy avela ho faritra mena intsony amin’ny halatra lavanila sy fitsaram-bahoaka », hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria

Nandritra ny fandalovan’ny ny Général de Division Randriamanarina Jean Christophe, Sekreteram-panjakana eo anivon’ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena misahana ny Zandarmaria, tao Sambava, afak’omaly, dia nanome toromarika sy baiko hentitra ny tenany,  nilaza fa : « Tsy maintsy haverina tanteraka ny filaminana aty Sava, izay Faritra mena amin’ny resaka halatra lavanila sy fitsaram-bahoaka. » Manoloana ny firongatry ny fakana an-keriny, halatra taolam-paty, asan-dahalo, . . . dia hisy ihany koa ny hetsika mafonja manerana an’i Madagasikara ao anatin’ izao vanim-potoana mialohan’ny fifidianana izao, satria mila fitoniana ny vahoaka, raha ny nambaran’ ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarmaria hatrany, nitafa tamin’ny mpanao gazety, ary vonona mandrakariva hiady amin’ny mpanao ratsy ny mpitandro filaminana, ka efa nifampizara andraikitra. Ny avy amin’ny Polisim-pirenena, hoy izy, no misahana ny fandriampahalemana andrenivohitra, fa ny Zandary kosa no miandraikitra ny tontolo ambanivohitra.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici