Nitonona ny anaran’ity zandary teo aloha ity avokoa ny ankamaroan’ny jiolahy ; izay voasambotra noho ny fanafihana mitam-piadiana na koa noho ny halatra lakolosy izay nitranga tany amin’ny faritra Sofia. Lehiben’ny borigady iray tao anivon’io faritra io ny voakasika ary noroahina rehefa nandalo filan-kevitry ara-pitsipipipehezana (conseil de discipline) teo anivon’ny zandarimaria. Efa tonga teo anivony ihany ny fanadihadiana izay nandeha taorian’ny fitoriana samihafa izay nipetraka. Saingy mitaraina ankehitriny ireo olona satria tsy mba naiditra am-ponja akory izy na dia efa nisy aza ny fanapahan-kevitry ny fampanoavana momba izany. Manahy ny olona fa manao kolikoly ary tsy azo kitihina na koa tsimatimanota ity zandary teo aloha ity. Maro ny fanafihana izay mitranga ary voatonona hatrany ny anarany, na izany ho atidoha nikotrika, izany hoe nanome ny vaovao sy ny olona hatao lasibatra ho an’ireo jiolahy, na koa izany eo amin’ny famatsiana fitaovam-piadiana azy ireo. Ankoatr’izay, dia manahy ny amin’ny ainy ireo olona izay efa voatafika satria toa namono biby tsy nahafaty ihany. Na dia efa nitohoka tamin’ny tenda aza mantsy ny porofo nentin’izy ireo, dia tsy nisy varany izany hatreto. Mazava izany fa manahy ny hisian’ny valifaty ny olona izay sady efa voatafika no mbola mety hiverenan’ireo olon-dratsy ihany. Ao anatin’ny tebiteby toa izany no iainan’ny fianakaviana maro any an-toerana noho ny fisian’ity tsimatimanota ity. Ny teo anivon’ny zandarimaria foibe, etsy amin’ny toby Ratsimandrava, dia nampanantena fa hanara-maso akaiky ity raharaha ity ary hanao ny fanamarinana rehetra momba azy. Mifanandrify amin’ny ezaka ataon’ity vondrona ity rahateo izany satria isan’ny imatimatesana ankehitriny ny fanadiovana eo anivony, na izany ny olony izay mbola amperin’asa na koa izany ireo efa tsy eo intsony. Mbola misy mantsy ireo mbola mitazona fitaovam-piadiana an-tsokosoko na dia efa tsy mpitandro ny filaminana intsony aza.
D.R