- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilSociétéFiahiana ara-tsosialy : Faritra telo nisitraka tosika avy amin’ny ministeran’ny Mponina

Fiahiana ara-tsosialy : Faritra telo nisitraka tosika avy amin’ny ministeran’ny Mponina

Tsy nanadino ireo ankizy varira ny minisitra Razafinjato Aurélie.

Isan’andro isan’ora, amin’ny lafin-javatra rehetra, dia mihatsara ny fiainako. Manomboka izao dia io no teny filamatra ho an’ireo mpisitraka ny tosika avy amin’ny fitondram-panjakana raha ny nambaran’ny minisitrin’ny Mponina sy ny Firaisan-kina, Razafinjato Aurélie nandritran’ny fizarana ny tosika Vatsin’Ankohonana tany amin’ny faritra Vatovavy sy Atsimo Atsinanana. Tokantrano marefo miisa 1 241 ao amin’ny kaominina Vohitromby sy Ivandrika, distrikan’ny Farafangana sy tokantrano miisa 2 371 ao amin’ny distrikan’ny Mananjary no nisitraka izany. Nandritra izany no nanentanan-dramatoa minisitra ny ampiasana ny tosika ho amin’izay mahasoa ka notsindriany manokana ny fampianarana ny ankizy. Manentana ihany koa izy ho an’ny fivoaram-piainana sy toe-tsaina mivoatra ka izany indrindra no tokony hampiasana io teny filamatra io manomboka izao.

Fanampiana. Ankoatran’ny tosika « vatsin’ankohonana » dia nisitraka tohana ara-tsosialy ihany koa ireo varira tany Farafangana nandritran’ny fidinana ifotony izay nataon’ny minisitrin’ny Mponina tany amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Ankizy varira miisa 57 ao amin’ny ivontoerana mitaiza sy manabe ankizy ao Farafangana no nisitraka izany. Fanampiana toy ny vary, koveta ary kits de dignités no natolotra azy ireo. Nentaniny izy ireo ny amin’ny filofosana amin’ny fianarana sy ny fahazarana amin’ny fidiovana isanandro izy. Tsy diso anjara ihany koa ireo zokiolona sy Fikambanam-behivavy izay nahazo tohana hahafahan’izy ireo miohitra sy manatsara ny fiainam-pikambanana ho fampandrosoana ny fiaraha-monina misy azy ireo. Nandritran’ny fidinany tany Farafangana ihany koa no nanomezany fanampiana ireo tokantrano miisa 62 tao amin’ny fokontany Morafeno izay lasa tsy nanan-kialofana vokatrin’ny haintrano. Niara-dia taminy tamin’izany ny ministrin’ny Serasera Mara Donna.

Narindra Rakotobe

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici