- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversFaritra Vakinankaratra : Henjana ny fampanarahan-dalàna amin’ny ady amin’ny Covid-19

Faritra Vakinankaratra : Henjana ny fampanarahan-dalàna amin’ny ady amin’ny Covid-19

Toy ny eto andrenivohitra ihany, mihatra tanteraka ao Vakinankaratra ny fampiharana ny lalàna hiadiana amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 taorian’ny fanambarana nataon’ny Praiminisitra Ntsay Christian ny amin’ireo fepetra rehetra tsy :maintsy raisina ho an’ity 15 andro manaraka ity. Hita izany tamin’ny hetsika izay nataon’ny mpitandro filaminana tao Behenjy ny hatramin’ny andron’ny omaly. Taxi moto 14 sy taxi bicyclette 12 niasa antsokosoko no tra-tehaka. Efa naparitaka ny peta-drindrina sy ny fanentanana fa tsy azo atao ny mitatitra olona ao Behenjy mihazo an’i Tsinjony nefa minia tsy manaraka ny lalana napetraka izy ireo. Nogiazana am-balantsazy avy hatrany moa ireo moto sy bisikileta ireo ary tsy maintsy nampandoavina ny lamandy mifanaraka amin’ny 10 andro tsy maintsy hijanonany ao.

Tao Antsirabe indray dia nidina tampoka ny mpitandro filaminana ary nisava ireo bus. Telo no tratra tsy nampiasa « gel désinfectant » na ranompanafody fanasana tanana nandritra ny fandalovana. Efa tsy ankiato anefa ny fanentanana natao tamin’ireo mpitatitranefa dia mbola misy ihany ny minia tsy manara-dalàna. Ho hamafisina noho izany ny fisavana ka hatsahatra tsy hiasa ny fiara sy ny receveur tsy manara-dalàna manomboka izao ary ny mpamiliny kosa dia hosintomina ny permis, araka ny filazan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Faritra any an-toerana. Efa nampahafantarina moa ny mpivarotra zava-pisotro : bar, karaoke, ny toeram-pilanonana fa mikatona izy ireo nanomboka ny 29 Juin 2020 teo taorian’ny fanambaran’ny Praiminisitra.Hiroso amin’ny fanakatonana sy fisintonana taratasy ary fisamborana ireo tratra misotro ny mpitandro filaminana ho an’ireo tsy resy lahatra manomboka izao.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici