- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversFasam-bahiny Anjanahary : iteraka sahotaka ny bemidina nataon’ny mpitandro filaminana

Fasam-bahiny Anjanahary : iteraka sahotaka ny bemidina nataon’ny mpitandro filaminana

Fa nisy inona ? Raha ny feo nandeha dia toa hoe nisy nanampongatra ny vatana mangatsiakan’ny iray tamin’ireo olona lavon’ny Covid-19, efa natao tsara levenana teny Anjanahary. Ny harivan’ny alahady teo, fisavorovoroana tsy dia fahitan’ireo mponina eny amin’ny manodidina isan’andro no nitranga teny an-toerana.

Mpitandro filaimanana maromaro nanao fiarovana sy milanja basy, niaraka tamin’ny tompon’andraikitry ny fahasalamana misimisy mirakotra irony akanjo fiarovana ara-pahasalamana irony no tonga teny amin’iny fasam-bahiny teny Anjanahary iny ny alahady hariva teo. Ny sasany amin’ireo mpitandro filaminana mirongo basy no mivezivezy toa mitady zavatra sa olona manodidina ireo fasana, ireo hafa kosa toa mivangongo amin’ny toerana iray ary ny ankoatra izay miambina ny vavahady fidirana ao amin’ity toeram-pandevenana etsy Anjanahary ity.

Araka ny feo nandeha teny an-toerana, araka ny fitantaran’ireo olona vitsivitsy nitsikilo ny zava-nisy tety lavidavitra dia toa hoe « nisy olona nangady ary nanampongatra tao ny razan’ny iray tamin’ireo olona lavon’ny Covid-19 nalevina teny an-toerana. Toa hoe nesorin’io na ireo olona ny « sachet » namonosana ilay razana (fiarovana natao mba tsy hiparitahan’ny tsimok’aretina) sy ny lamba sasantsany nandrakofana ilay razana ary nangalary izany ny fitafian’ny maty ». Voalaza moa fa hitan’ireo nanatri-maso niparitaka tsy lavitra ny fasana izany zavatra izany ary efa nisy olona vonona ny hanatona sy handoro ireo lamba sy « sachet » namonosana izany razana izany saingy nosakanana. Toe-javatra mampihoron-koditra tokoa raha tena nisy satria dia toa fanampoizinana ankitsirano ny velona ary fanimbazimbana ireo efa nodimandry.

Araka ny fanazavàn’ny tompon’andraikitra iray avy eo anivon’ny polisy misahana iny faritra iny : « tsy misy velively izany olona nanampongatra razana lavon’ny Covid-19 izany ». Nambarany fa « ireo olona avy ao amin’ny Bmh, na ny sampan-draharaha monisipaly misahana ny fahadiovana no nanantanteraka ny fandevenana ireo olona maty, tsy nisy naka tao anatin’ny fotoana maharitra, tao amin’ny tranom-paty ny hopitaly ». Zavatra efa fanaon’izy ireo mahazatra izany, hoy ity tompon’andraikitra ity saingy amin’izao toe-java-misy eto amin’ny firenena izao dia matahotra ny olona ka lasa mamorona zavatra tsy misy. « Ary amin’izay lafiny izay indrindra ihany koa no antony nanaovan’ireo mpiasan’ny fahasalamana fiarovana ». Raha ny mahakasika ireo mpitandro filaminana maromaro indray, izay nampametra-panontaniana ireo mponina dia nambarany fa hoe « nisy olona mamo tafiditra tao amin’io fasana io tamin’ny fotoana nanaovana izany ary nikasa hanakorontana. Niantsoana mpitandro filaminana ary nifampitadiavana tao anaty fasana tao ».

m.L

 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici