Mitaraina ireo manana fasana eo anivon’ny fasam-bahiny Anjoma eto Toamasina, fa tena lasibatra ireo mpangalatra vy isan’andro ireo vy amin’ny fasana. Tsy mifidy izany fa izay vy dia misy mangalatra avokoa, na lakroa, na varavaram-pasana, na ireo haingo fametrahana vonikazo, dia samy lasibatra avokoa.
Nanambara ireo mponina manodidina ny fasam-bahiny fa tsy mahagaga ny zava-misy, satria olona mpividy vy sy mpamongady izany avokoa ny manodidina ilay fasam-bahiny Anjoma ao Ambalabe ao, ka heverina fa izy ireo ihany no mitsambikina fefy rehetra alina ny andro manapaka ireo vy amin’ny fasan’olona ireo. Fianakaviana iray no nitaraina tamin’ny mpanao gazety, fa nisy ny antso tamin’ny finday izy ireo ny hanamboarana haingana ny varavaram-pasan’izy ireo izay vavahady vy, satria efa nisy nanapaka izany saingy tsy lasa fa mbola tavela ihany noho ny fahasarotiny naka azy ny sabotsy teo. Voalaza fa tena potehan’ireo mpangalatra hatramin’ny simenitra mitazona amin’ny fasana mihintsy amin’ny fangalarana azy. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikim-panjakana ireo tompom-pasana ao amin’ity fasam-bahiny ity vokatra izany, mba hanara-maso ireny vy misy mivarotra sy mividy ary manondrana izany any ivelany ireny, fa tena tsy mifidy vy angalarina intsony ireo mpanao izany bizina vy izany amin’izao.
Maro koa ankehitriny ny efa nandray fepetra amin’ny fanoloana ho varavaram-pasana ho hazo mba hisorohana ny fangalarana vy mirongatra be eto Toamasina ity. Hatreto aloha dia mbola tsy nisy aloha ny halatra taolam-paty nitranga tamin’izao tranga izao, fa ilay vy amin’ny fasana ihany no misy mangalatra aloha hatreto.
Malala Didier