- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversFasam-bahiny Anjoma Toamasina : Nidina ifotony nijery ny halatra vy ny polisim-pirenena...

Fasam-bahiny Anjoma Toamasina : Nidina ifotony nijery ny halatra vy ny polisim-pirenena sy ny Urbanisme

Voamarin’ireo eo anivon’ny sampan-draharaha Urbanisme eo anivon’ny kaominina niaraka tamin’ny polisim-pirenena notarihan’ny kaomisera ny kaomisarin’ny Toamasina I Bazary kely ny faran’ny herinandro teo fa tena misy ny halatra vy am-pasana ao amin’ny fasam-bahiny Anjoma. Nandritra ny hetsika no nahitana fa an-jatony ireo varavaram-pasana – lakroa – vy samy hafa amin’ny fasan’olona, no nanjavona fa misy ireo mangalatra azy. Avy hatrany dia nisy ny fihaonana teo amin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina sy ny polisim-pirenena ireo, nihaona tamin’ireo mpividy vy eo anivon’ny Ambalabe izay mifanila amin’ity fasam-bahiny ity. Nasiaka ny kaominina niteny fa matoa misy ny toe-javatra toy izao mitranga ao amin’ny fasam-bahiny Anjoma dia ianareo mponina manodidina eto ihany no mpanao izany, ka ho avy masiaka ny kaominina sy ny polisy hijery sy hisava izany manomboka izao. Raha namaly izany koa ireo mponina mpivarotra sy mpividy vy ary mpivarotra kojakoja samy hafa ao amin’ny Ambalabe ity tamin’ny alalan’ny filohan’izy ireo, fa misy ny lalana sy dina ary fepetra napetraka eo amin’ny samy izy ireo hialana amin’ny zavatra toy izany. Ireo olona vaovao miditra dia tsy hamarinina avokoa fa tsy miditra fahatany. Efa nampahafantarina ny fahaverezan’ireo vy tamin’ny fasany avokoa ireo fianakavian’ireo, ka nisy ny nanamboatra ny azy, nefa misy kosa mbola tsy namaly noho ireo tompom-pasana lavitra an’i Toamasina. Ankoatra izany nifanafatrafatra ny rehetra taorian’izao fidinana ifotony noho ny tranga mamoehitra izao, fa raha mbola misy ny tranga tahaka izao ao aoriana ao dia tsy handefitra mora amin’izany ny kaominina amin’ny alalan’ny Urbanisme sy ny polisim-pirenena fa tena handray ny andraikiny marina, fa lasa fomba amam-panao ity halatra vy am-pasana ity amin’izao ho fidiram-bolan’ny mpanao azy.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici