Tsy manana taratasy fifampivarotana tany na eo anivon’ny kaominina Ambohibary na ny fokontany Sahafitahana mahakasika ny tany misy fasam-pokonolona. Tao anatin’ny iray volana izao dia niely ny resaka fa nisy vahiny hampiasa ny tany izay misy ny fasam-pokonolona ao Ampasanasondrotra ao anatin’ny fokontany Sahafitahana, razana efa an’aliny no ao. Efa misy tamin’ireo manana Havana milevina ao an-toerana no efa nanala ny taolam-balon’ny havany. Nandritra ny fidinan’ny ben’ny Tanana Andriamatoa Randriamahadera Noelson sy ny iraka manokana ny solombavambahoaka Randriamahefa Henri Charles teny an-toerana ny 28 novembra 2017 dia nahita fa misy amin’ireo razana no miparitaka ny nofony sy ny volony fa tsy misy taolana intsony. Tsy mifanaraka amin’ny soatoavina Malagasy ny tranga misy hoy ny Ben’ny Tanana ao an-toerana. Efa talohan’ny fisian’ny tolom-panjanahana 1947 no efa nisy fasana teo hoy hatrany ireo tangalamena. Manainga ny tompon’andraikitra ireo mponina ao an-toerana hijery haingana ity raharaha ity.
Cathy