
Amin’ny roa ora tolakandro ! Tovolahy roa, samy 18 taona, no nosamborin’ny pôlisy tetsy amin’ny fasana Anjanahary, ny faran’ny herinandro teo. Tratran’ireo pôlisy ambodiomby mihitsy ireto farany, handeha hanendaka vehivavy iray, nandeha irery tamin’izany lalana izany. « Vehivavy hamonjy fodiana no narahin’ny lehilahy roa avy ao aoriana. Nataon’izy ireo teo am-povoany moa iry voalohany ka rehefa voatery dia saika hanararaotra hanao ny asa fanendahana izy ireo. Kanjo tsikaritry ny polisy nanara-maso teny amin’ny manodidina izany ary dia noraisim-potsiny izy ireo. Nentina eny amin’ny biraon’ny polisy avy hatrany izy roa lahy ireto ary natolotra ny fampanoavana ny zoma », hoy ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy.
Anisan’ny faritra iarahan’ny rehetra mahalala tokoa fa mahamay amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana, raha iny lalana akaikin’ny fasam-bahiny eo Anjanahary iny. Tsy antoandro tsy amin’ny alina fa saika mitondra faisana avokoa izay sendra ireo totakely. Indrindra moa fa ireo vehivavy mandeha irery. Efa fantatr’ireo tompon’andraikitry ny filaminana misahana iny faritra iny tokoa izany, ny kaomisaria etsy amin’ny boriborintany fahatelo Antaninandro, ary tsy mikely soroka izy ireo, miezaka mametraka pôlisy, manao fanamiana na tsy manao fanamiana, misafo matetika izany toerana izany. Paik’ady manokana noraisina, entina misoroka izany resaka tsy fandriam-pahalemana izany. Raha ny loharanom-baovao azo dia mitondra vokany tokoa izany paik’ady noraisina izany. Tato ho ato tokoa mantsy dia voalaza fa somary nihena izany asa fanendahana izany, na dia misy ihany aza ireo tsy maty manota, sy manao tanana efa zatra mitsotra amin’izany asa ratsy izay. Toa azy roa lahy ireto.
m.L