- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversFasankaràna : Mpisoloky gaigilahy, voasambotry ny pôlisy

Fasankaràna : Mpisoloky gaigilahy, voasambotry ny pôlisy

Ela nitoratorahana ! Efa maromaro ihany izay nataony nitondra faisana sy lasibatra izay teny amin’iny faritry ny Fasankarana sy ny toby fiantsonan’ireo taxi-brousse mianantsimo iny. Lehilahy iray voalaza fa mpisoloky hikoizana teny an-toerana no tafiditra tao anatin’ny vovon’ny pôlisy, ny andron’ny alakamisy hariva lasa teo.  « Rehefa nitaraina tao amin’ny biraon’ny Polisy ireo niharan’izany fisolokiana izany dia nisy ny vela-pandrika nataon’ny Polisy niarahana tamin’ireo olona teny an-toerana ka dia tratra omaly tokony ho tamin’ny 4 sy sasany ity olon-dratsy ity » hoy ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy.

Lehilahy 33 taona izy io ary miovaova hatrany ny teti-dratsiny entina hivarotany am-pitsanganana izay olona tratra. Ny somary mahagaga dia tsy maintsy mahazo foana ny lehilahy ary tsy misy miangana izay zavatra sarobidy eny amin’ireo lasibatra, raha ny voalazan’ny vaovao. « Fanaony ny mampiresaka olona eny amin’ny toerana somary tsy dia misy olona eny. Toa ny tratran’ny fandraikiraikena ny olona izay tratrany , ka manome izay rehetra any aminy, toy ny vola, finday sy zavatra lafo vidy, ka rehefa dify izy vao miverina ny sain’ny lasibatra (…) Efa maro tokoa no efa nahazoany zavatra sy vola tamin’izao fisolokiana ataony izao ». Izay toe-javatra izay indrindra no nanosika ireo pôlisy teny an-toerana hametraka vela-pandrika ho an’ity mpisoloky ity. Tamin’io alakamisy io, tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany hariva teo no lehilahy no tafajoboka, raha nikasa hanao ny teti-dratsiny. Noraisim-potsiny ary nentina nofotorina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny pôlisy ny lehilahy, miandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici