Namono olona indray iny lalana miankandrefana iny, ny faran’ny herinandro lasa teo. Olona roa no namoy ny ainy, teny amin’iny Fasan’ny karàna iny ny zoma sy ny sabotsy teo. Olona roa hafa kosa naratra mafy, teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, teo Ambodiafontsy omaly.
Fiara iray avy any amin’ny Fasan’ny karàna, hizotra ho any Anosizato no nandona vehivavy iray, tokony ho 39 taona teo ho eo, ny zoma tolakandro teo. Handeha hiampita ity vehivavy ity no nipoitra tampoka ilay fiara. Tsy tana intsony ny fahavoazana. Nipitika lavitra ny toeran’ny fifandonana mihitsy ity vehivavy ity ary naratra mafy. Nentina avy hatrany tany amin’ny hôpitaly ity ramatoa ity saingy tsy tana intsony ny ainy, noho ny habetsaky ny rà very.
Fa mbola teny amin’iny faritra iny, ny sabotsy alina teo indray. Lehilahy tokony ho 26 taona tany ho any no hitan’ny olona nivalampatra, sy efa nihosin-drà tanteraka teo am-povoan’arabe, tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany alina tany ho any. Teo amin’ny lohany no voa mafy ka izay no nitarika ny fahafatesany. Araka ny nambaran’ireo mponina teny an-toerana dia mpandeha an-tongotra handeha hiampita izy ity. Tsy nijanona teo ilay fiara nahavanon-doza ka nitsoaka. Efa eo am-panaovana ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana.
Ny roa naratra hafa dia teny Ambodiafontsy, omaly antoandro. Môtô iray no nandona mpitaingina bisikleta. Vokany, samy naratra mafy avokoa izy roalahy. Araka ny nambaran’ny mpitandro filaminana dia, handeha hiankandrefana ilay môtô izay somary nandeha mafy ihany, noho iny lalana iny malalaka. Sendra niampita arabe tampoka anefa ilay mpitondra bisikleta ka tsy tana intsony ny fifandonana. Araka ny fantatra dia samy tsy nisy nahatsiaro tena izy ireo, nentina teny amin’ny hôpitaly.
m.L