Lehilahy miisa roa, 53 sy 27 taona, no hatolotra ny fampanoavana anio rehefa nahatrarana basy lava iray sy bala (cartouches) 5, samy “calibre 12” avokoa, ny sabotsy 19 Aogositra lasa teo. Nanao fisafoana toy ny fanao mahazatra azy teny ami’ny faritra Anosizato sy ny manodidina iny ireo polisy avy ao amin’ny kaomisaria Boriborintany faha-5 etsy Mahasina ka nahatsikaritra olona 3 toa mahimahina teo Ankadimbahoaka. Nandray andraikitra avy hatrany ireo mpitandro filaminana ka nanao ny fanarahan-dia ireto olona ireto hatrany amin’ny tobin’ny taxi-brousse eny amin’ny fasan’ny Karàna. Sarona teny an-toerana ny roa lahy fa ny iray kosa tafaporitsaka. Rehefa nosavaina ny sakaosy nentin’izy ireo dia nahitana ireo fitaovam-piadiana voalaza etsy ambony ireo. Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy fa avy any Imady Ambositra ireo fitaovam-piadiana ireo. Novidiana 150 000 ariary ary entina hamidy hakana tombony any Moramanga. Nilaza izy ireo fa mpitondra ihany fa ilay lehilahy fahatelo izay tafaporitsaka no tena tompon’ny entana.
T.M.