- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFasan’ny Karana : Basy saika entina hanafika tratra

Fasan’ny Karana : Basy saika entina hanafika tratra

Tamin’ny sabotsy no tratran’ny polisy teny amin’ny Fasan’ny Karana, ny lehilahy iray nitondra basy vita gasy. Araka ny vaovao voaray dia saika hamidy sy hanaovana fanafihana Tsiroanomandidy ity basy ity. Tonga vao maraina teny Anosizato ny tovolahy iray 20 taona. Avy any Ambositra izy no niala nitondra sakaosy. Nampiahiahy ny mpitandro filaminana anefa ny fihetsiny satria raha vao nahatazana ireo polisy ny anao lahy dia nanao tari-dositra. Raikitra ny fanenjehana azy teny an-toerana. Voasambotra aloha ity olona ity saingy afaka nitsoaka ihany. Tsy naleman’ny olona sy ny mpitandro filaminana anefa avy eo raha tsy tratra fanindroany. Naratra izy tamin’izay satria samy namely azy daholo izay sendra teo amin’ilay toerana. Avy hatrany dia nariany ilay sakaosy. Rehefa nojerena dia basy vita gasy no tao. Rehefa nohadihadiana ny anao lahy dia nilaza fa an’olona io fitaovam-piadina io ary haterina ny Tsiroanomandidy. Izany hoe nikarama izy.

Rehefa vita moa ny famotorana dia natolotra ny mpitsara mpanao famotorana ilay lehilahy ary naiditra am-ponja vonjy maika.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici