Ny sabotsy 12 avril teo no tra-tehaky ny polisy avy ao amin’ny Boriboritany Fahadimy Mahamasina ny mpividy sy mpivarotra basy antsokosoko. Mbola tratra niaraka tamin’ny basy PA vita gasy miisa roa miaraka amin’ny bala folo sy Basy Revolver iray miaraka amin’ny bala efatra. R Justin moa no anaran’ity lehilahy tratra ity ary 31 taona izy. Tao aorian’ny fanadihadiana moa no nahafantarana fa misy lehilahy iray antsoina hoe Ra-frah mipetraka ao Anosibe no nivarotra taminy ny basy ary izy indray avy eo no mivarotra izany any Nosy Varika. Raha ny fitantarany moa dia raisina 120.000ar ny basy vita gasy iray ka hamidy 250.000ar avy eo, ny basy Revolver kosa raisiny 500.000ar ny iray dia hamidy 600.000ar indray.
Fantatra ihany koa fa fa tsy vao izao ireto olona ireto no maka basy amidy any Nosy Varika toy izao fa isaky ny miakatra mividy lamba aty Antananarivo. Manao asa fivarotan-damba moa ity farany ary avy Fandriana Fianarantsoa no fiaviany.
Raha ny momba ilay Rafrah indray dia mbola eo ampikarohana azy ny mpitandron’ny filaminana amin’izao. Teny amin’ny toby fiantsonan’ny taxi-brousse Fasan’ny karana moa no nifankahitan-dry zaroa ireto voalohany ny volana janoary 2014 teo. Ary tamin’izany no efa nisian’ny fifampivarotana basy. Voamarika koa fa tsy hoentiny any antranony akory ity mpivarotra basy tiy fa amin’ny alalan’ny antso an-tarobia hatrany no hifampiresahana ary miovaova laharana hatrany izy ireo amin’izany. Efa natolotra ny fampanoavana ny alarobia 16 avril izao ny fampanoavana moa i Justin.
ALEM