- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFasan'ny karàna : Nifampitifitra ny polisy sy ny jiolahy, telo no maty

Fasan’ny karàna : Nifampitifitra ny polisy sy ny jiolahy, telo no maty

Teo am-panomanana fandrobàna toeram-pivarotan-kena teo amin’ny manodidina an’Anosizato, fantatra amin’ny hoe « fasan’ny karàna », no tonga tampoka ny polisy misahana ny ady amin’ny jiolahy (SAG). Ny alin’ny zoma no nisian’ity tranga ity. Olona folo izy ireo no nivondrona tao anatin’ny andian-jiolahy ary nisy basy teny amin’ireo olon-dratsy ireo, raha araka ny fizaram-baovaon’ny polisy. Tsy nisalasala nampiasa ny fitaovam-piadiana izy ireo raha vao nahatsikaritra ny fahatongavan’ny mpitandro ny filaminana. Teo ary dia raikitra ny fifampitifirana. Nihorohoro Anosizato sy ny manodidina satria nanakoako ny feom-basy. Samy nifanontany ny zava-nisy an-telefaonina izay nifankahafantatra ary tao koa ny nizara izay fantany tamin’ny tambajotra sosialy. Olona telo tamin’ireo andian-jiolahy no lavo ary tsy nisy naninona kosa ny avy amin’ny polisy. Avy tamin’ny fampitam-baovaon’ity vondron’ny mpitandro ny filaminana ity no nanazavana fa hampiasa ny heriny hatrany ny polisy manoloana ireo jiolahy mpandroba izay vonona ny hamono olona. Basy roa sy bala maromaro no sarona tamin’ireo jiolahy lavo.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici