Omaly antoandro dia nisy ny savorovoro teny amin’ny Fasan’ny Karàna. Tsy nenken’ny olona mantsy ny fametrahana vato teny an-toerana. Nisy ireo nanendaka izany vato izany ary nametraka izany nibahana ny lalana. Nitohana ny ny fifamoivoizana ary dia niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana nandamina ny fandehan-javatra. Toa nilamina ihany ny saika sakoroka avy eo.
Articles qui pourraient vous intéresser