- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversFasan’ny Karàna : Nitokona ny mpitatitra noho ny fanafihana sesilany amin’ny RN7

Fasan’ny Karàna : Nitokona ny mpitatitra noho ny fanafihana sesilany amin’ny RN7

Samy gaga ny rehetra omaly, indrindra ny mpandeha, fa nanao hetsika fitokonana fanairana ireo mpitatitra amin’ny zotra nasionaly mianatsimo, tetsy amin’ny Fasan’ny Karàna. Raha ny fanazavan’ny iray tamin’izy ireo dia mba hanairana ny sain’ny mpitondra amin’ity fanafihana fiara mahazo laka amin’ny lalam-pirenena fahafito toa tsy misy fanafany ity no antony. Nanoloana izany, betsaka ireo mpandeha no nimenomenona. Raha ny loharanom-baovao azo farany dia mety ho ny asabotsy izao vao hisy fiara hiainga ho an’i Toliara (RN7) sy Tolagnaro (RN13). Tsy ny amin’ny RN7 ihany no lasibatry ny jiolahy mpanakan-dalana sy mpadroba ary mpamono, fa faritra maro eto amin’ny nosy amin’izao no lasibatry ny asan-jiolahy, miaina ao anaty tebiteby sy horohoro ny mponina tototry ny adim-piainana.

Tsiahivina fa tao anatin’ny roa herinandro izay, nisesy ny fanakanan-dalana ataon’ny jiolahy amin’iny lalana iny. Vao afak’omaly, « camion » nitondra kisoa no voatafika teny Ambohimahasoa. Jiolahy nitondra basy no nanao izany. Tsy mifidy intsony izany ireo andian’olona fa izay fantatr’izy ireo fa misy zavatra na vola azo alaina dia ataony mitondra faisana avokoa. Andro vitsy talohan’izany, fiara marobe, taxi-brousse sy « camion » no niharan’ny fanakanan-dalana. Teo ihany koa ny voatoraka vato. Tena leo araka izany ny mpampiasa iny lalam-pirenena faha-7 iny.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser