- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversFasan’ny karana : Roalahy misandoka ho mpitandro ny filaminana, tra-tehak’ireo tena izy

Fasan’ny karana : Roalahy misandoka ho mpitandro ny filaminana, tra-tehak’ireo tena izy

Ela nitoratorahana izy roalahy ireto ka teny am-pelan-tanan’ireo mpitandro ny filaminana vao nijanona. Lehilahy anankiroa, izay efa mananika ny 50 taona mahery teo ho eo avokoa no tra-tehaky ny pôlisy teny amin’iny Fasan’ny karàna iny, ny alatsinainy  teo. Efa kalaza lahy amin’ny resaka fisolokiana ireto lehilahy roa ireto, ary efa maromaro ihany ireo olona voa tamin’izany. Raha ny fanazavana azo, dia mody mitondra solomaso efa simba izy ireo eny an-tànany. Eny amin’ireo toerana be olona sy misisika no tena famelezan-dry zalahy ireto. « Nataon’ny iray fanahy iniana nodominy mihitsy tamin’io fotoana io. Nisy solomaso latsaka ary notsimponiny moramora. Ilay namany iray no niantso ahy avy eo, fa hoe tsy maintsy soloina ilay solomaso. Saingy efa arako ilay tetik’adin’izy ireo ka dia nidrikina sy norahonako izy ireo ho mpangarom-paosy. Vaky nandositra moa tamin’izay », hoy ny filazana rangahy iray, efa nifanehatra tamin’izy roalahy ireto teny amin’iny tsenan’Andravoahangy iny. Saingy tsy vitsy tamin’ireo efa nifanena tamin’izy no tsy sahy nidrikina fa dia nanaiky mora foana ny fisolokian’ireto rangahy lehibe tsy mahay miaina ireto. Raha ny fampitam-baovao azo aza moa, dia rehefa tsy manaiky handoa vola ireo olona dia miseho indray ny fisolokiana faharoa. Milaza mantsy izy ireo, fa mpitandro ny filaminana, ka raha tsy mandoa vola dia entin’izy ireo gadraina. Tsy naha-mpisoloky azy ireto intsony anefa ny vela-pandrik’ireo mpitandro ny filaminana ka izao noraisim-potsiny izao izy roalahy, ary miandry ny fotoam-pitsarana azy eny Antanimora, rehefa avy nohenoin’ny teny anivon’ny Fampanoavana Anosy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser