Voasambotry ny pôlisy ny roalahy, izay voalaza fa nanendaka mpitondra môtô sy namono izany teny amin’ny Fasan’ny karàna, ny sabotsy lasa teo. Sendra nindrana iny lalana iny ity lehilahy ity no tojo olon-dratsy, tokony ho tamin’ny 9 ora alina teo. Efa nandrasan’ireto olon-dratsy ireto mihitsy ny fiavin’ity mpitondra môtô ity, raha ny fanazavana azo avy amin’ny pôlisy. Vantany vao tonga teo amin’ny faritra nifanandrify tamin-dry zalahy mantsy dia nanipazan’izy ireo vato sy garaba vy ilay môtô ka nianjera ny mpitondra azy. Tsy vitan’izay fa mbola nodarohan’izy ireo ihany ity lehilahy ity, ary naratra mafy. Tonga avy hatrany teny an-toerana ny mpitandro filaminana, raha vao nampandrenesin’ny manodidina, ka tratra am-bodiomby saika hitondra ilay môtô sy nanipy ny vatan’ilay lehilahy efa tsy nahatsiaro tena intsony izy roalahy ireto. Nentina avy hatrany natao fanadihadiana izy ireo taorian’izay. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ireto roalahy ireto.
m.L