Tapitra iny ny fety aman-danonana. Tapitra niaraka tamin’iny ihany koa ny habetsahan’ireo mpandeha miondrana sy mivezivezy any amin’ny faritra isan-karazany any. Miverina toy ny mahazatra indray ny fisaritahana amin’ny fitadiavana olona eo amin’ireo kaoperativa isan-karazany. Ary dia miverina amin’ny fanaony ihany koa ny adin’ny mpanera sy ny mpandeha eny amin’ireny karazana tobim-piantsonana eto an-drenivohitra ireny. Toa izay nitranga teny amin’ny Fasan’ny karàna omaly maraina. Saika velona mihitsy ny rombo, raha ny filazan’ireo olona teny an-toerana. Ny antony ? Nisy mpandeha, saika hiondrana amin’ny zotra nasionaly iray, no nosaritahan’ireo mpanera tamin’io fotoana io. Amin’ireny tokoa dia tsy fantatra intsony ny tena izy sy ny mpisandoka, na ihany koa ireo mpangalatra sy mpanendaka. Ny sasany avy hatrany dia maka ny entana, ny etsy an-kilany manosika ilay olona. Nony tafiditra tao amin’ilay fiara anefa ilay mpandeha, tsy hita izay nalehan’ny entany. Tezitra tamin’izay ity mpandeha ary dia nivazavaza tamin’ireo mpanera marobe. Nitangorona ny olona. Efa tezitra tamin’ireo fihetsik’ireo mpanera ireo ihany koa ny mpandeha sasantsany. Efa saika raikitra ny korontana. Soa ihany anefa fa nilamina ho azy teo ilay izy, raha ny vaovao voaray hatrany. Tranga iray hampitandremana ireo mpandeha eny amin’ireo tobim-piantsonana isan-karazany angamba izay. Ekena fa misy ireo mpanera eken’ny tompon’andraikitra, kanefa aleo mitandrina hatrany fa ny ratsy tsy kely làlana.
m.L