Ny talata 22 jolay teo no nahatratraran’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-5 etsy Mahamasina ny olona iray mpivarotra basy teny amin’ny Fasan’ny Karana antsoina hoe Fidy. Roa izy ireo no nifanao fotoana teny, fa afaka nandositra ny iray. Ity afaka nandositra indray no Soamana. Lehilahy iray hafa no nanome vaovao ny polisy mikasika ity fifampivarotana basy ity. Raha ny tena izy, nividy basy ny olona iray avy any Vangaindrano efa fotoana elaela. Rehefa tany an-toerana anefa, tsy nipoaka ilay basy. Niakatra taty Andrenivohitra ilay mpividy ary nifanaraka izy ireo fa atakalo basy mipoaka ilay nomena azy. Tamin’io fotoana io indrindra no nahatratrarana azy ireo. Araka ny efa voasoratra ery ambony, afaka nandositra ny iray. Ilay olona nanome ny vaovao hatrany indray no niteny tamin’ny polisy fa, any Tsiroanomandidy no ahitana ilay nitsoaka. Nidina tany an-toerana ny mpitandro filaminana. Natoron’ilay olona ny toerana nisy ilay nandositra ary dia tratra tao izy. Rehefa nilazana ny polisy tany an-toerana dia nahita fa ilay olona mpanome vaovao antsoina hoe Christophe dia fantatra fa olona mpanao fanafihana mitam-piadiana niaraka tamin’ny namany, saingy afaka nandositra nitondra basy “kalachnikov” tamin’ny 6 jona lasa teo.
Mifamaofao be ihany ny fandehan’ity vaovao ity araka izany. Hay ilay mpitory, jiolahy ihany koa. Tsy fantatra anefa aloha ny antony nanaovany izany fanomezam-baovao ny polisy izany. Samy nosamborina izy telo ireo ary omaly no natolotra ny mpitsara mpanao famotorana teny Anosy. Ny fanampim-baovao no nahafantarana fa amidy 800 000 ariary ny basy vitagasy iray amin’izao fotoana izao.
r.s.