- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFatin-dehilahy teny Ampasika : Fantatra ankehitriny fa Kaomiserana Polisy ilay namoy ny...

Fatin-dehilahy teny Ampasika : Fantatra ankehitriny fa Kaomiserana Polisy ilay namoy ny ainy

Mikasika an’ilay fatin’olona hitan’ny mpaka fasika nitsingevana teny amin’ny ranon’Ampasika ny marainan’ny talata 28 jona lasa teo, dia fantatra ankehitriny ny mombamomba azy. Ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety tamin’ny tompon’andraikitry iray teny amin’ny tranom-paty nisy ilay razana no nahalalana fa Kaomiserana Polisy ity farany, dia ny Kaomisera Ranorosoa Santatra Solofo Sébastien, 43 taona, monina eny Anosizato. Fantatra ihany koa fa efa nalain’ny fianakaviany narahina polisy maromaro ny razana ny ampitson’ny andro nahitana azy sy nanateran’ny BMH azy teny amin’ny hopitaly, izany hoe ny alarobia lasa teo. Ny mahakasika ny nahafaty azy sy ny boriborintany misy ny toeram-piasany kosa dia mbola tsy nahazoam-baovao hatreto. Mbola mitohy rahateo ny fikarohana sy ny fanadihadiana rehetra ka andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici