Nivoaka tamin’ny fahanginany ny fianakavian’ny maty, taorian’ny fahafatesan’ilay lehilahy hita tao Tritriva, ny datin’ny 29 Desambra 2019 lasa teo. Nanambara ny fianakaviana niaraka tamin’ny fikambanan’ny Teraka Anjanapara Miray na TAM, fa maty nisy namono io havany io fa tsy maty noho ny famoizam-po araka ny vaovao naely. Araka ny fanambarana, dia ny Talata 24 Desambra 2019 tamin’ny 4 ora sy 30 minitra no nisy naka tao an-tranony io lehilahy io, ary nilaza ireto naka azy fa hamonjy sasakalina ao amin’ny FLM Imanja. Voamarina fa tao am-piangonana tokoa ity lehilay ity tamin’io fotoana io, saingy tsy hita popoka intsony taorian’izay. Tsy nitsahatra nikaroka azy ny fianakaviany nanomboka teo. Ny Alahady 29 Desambra naharay antso ny fianakaviana, fa misy razana mitsingevana tao Tritriva. Tonga tao Tritriva ireto farany nijery ny razana, akory ny hatairana fa ilay havany tokoa io hita tao io. Taorian’ny fizahana no nahafantarana fa feno ratra ny vatany, mivonto ny lohany ary niala tsy nisy ny nifiny ambony, ankoatra nahitana diana vono ny farahatony. Midika ireo ratra rehetra ireo, fa maty nisy namono ity lehilahy ity. Ankoatra izay hoy ny renin’ny maty dia nifamadika ny akanjo nanaovany tamin’ny nahitana ny razana, fa tsy toy ny nanaovany nivoaka ny trano. Olon’ny fiarahamonina io maty io, hoy ny fanambarana notarihan’ny filohan’ny TAM Atoa Rafanomezantsoa Bien Aimé ary isan’ny modely teo an-tanàna. Araka ny fanambarana hatrany, dia hitondra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana ny TAM sy ny fianakavian’ny maty ary hanokatra fanadihadiana hikarohana ireo nahavanon-doza.
Andry N.