- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversFAV ANTSIRABE : Ho sahirana ny mpanakanto amin’ity taona ity

FAV ANTSIRABE : Ho sahirana ny mpanakanto amin’ity taona ity

Manahy mafy ny mety ho fahasarotan’ny taona vaovao 2022 ho an’ny mpanakanto ny FAV na Fivondronan’ny Artiste eto Vakinankaratra hoy ny filohan’ny fikambanana  Rakotozafy Freddy na Didi Alpha. Vao miatomboka ny taona dia efa tsy afaka manao hetsika ny artiste mainka fa aoriana kely ao, ny firongatry ny valan’aretina anefa ity mihanaka hatrany ary isan’ny faritra iparitahan’izany taha izany be indrindra ny faritra Vakinankaratra.

Isan’ny hetsika ara zava-kanto iray efa nofoanana tamin’iny volana desambra iny ny fifaninana mpanakanto mendrika indrindra tamin’ny taona 2021 iny nefa noho ny fepetra napetraka dia voatery najanona izany. Tokony efa hiakatra antsehatra in-droa isam-bolana ny artiste ao anatin’ny FAV nefa tsy misy azo hatao dia voatery miandry izay fisokafana indray. Ny fifaninanan-kira teto Antsirabe izay nahasintona  mpandray anjara maro moa dia voatery nahatao mihitsy.

Hikaroka vahaolana ny FAV ary hitondra vahaolana hanolotra sosokevitra toy ny hoe arakaraky ny halebea’ny trano no hamerana ny isan’ny olona, eo andalam-piresahana izay ny FAV ary antenaina ny haneken’ny fanjakana izay hoy Didi Alpha.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici