- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversFelicien Kôpikôlé : Roa andro sy indray alina vao hita ny vatana...

Felicien Kôpikôlé : Roa andro sy indray alina vao hita ny vatana mangatsiakany

FelicienTomefy olona teny an-toerana ! Tompon’andraikim-panjakana, mpankafy, olon-tsotra, te hizaha fotsiny ny zava-misy, olona an’arivony maro no tonga teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza, ka nahatototry ny tany an’i Felicien Rakotomalala, na Felicien Kôpikôle, mpanankato vao nisondrotra avy amin’ny sekolin’ilay fifaninana nataona fahitalavitra iray teto an-drenivohitra, hifampitahana amina mpanakanto malaza. Felicien, nitaha tamin’i Théo Rakotovao … Ny zoma antoandro teo ity mpanakanto vao herotrerony monja ity no nihotsahan’ny tamboha, niaraka tamin’ny ranon-tany aman-taoniny maro. Roa andro sy indray alina no nitadiavana ny vatana mangatsiakany. Ny sabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny 7ora sy sasany hariva, no fantatra sy voamarina fa hita ny vatany. Saingy mbola nanano sarotra ny fisokirana azy tao, noho ny fahatahorana ny mbola hihotsahan’ny tany hafa. Nanao ny ainy tsy ho zavatra ireo mpamonjy voina, ny andro sy alin’ny niavian’ny loza. Tonga nanampy azy ireo teny ihany koa, ny miaramila sasantsany, teo ihany koa ny fanampiana avy amin’ny mpitandro filaminana ka nahatongavana alika mpitsongo dia teny an-toerana mihitsy. Ny alin’ny zoma, nitadiavana azy, dia tsy maintsy najanona kely mihitsy ny fitadiavana azy araka ny fanazavana azo. Ny orana mbola mijojo, atahorana ihany koa ny fihotsahan’ny tany hafa, ka mety hampitera-doza ireo mpamonjy. Notohizana izany ny andron’ny sabotsy iray manontolo. Nifarimbonana ireo maherifo rehetra, nihady sy nikaroka ity mpanakanto ity. Ny hariva vao tazana ny vatany. Raha ny vaovao azo teny an-toerana, dia niankohoka no nahita an’i Felicien, tao ambanin’ireo rarivato marobe, nirodana natosik’ireo tany. Fotoana maromaro taty aoriana anefa vao afaka tanteraka tao ambanin’ireo tany sy vato nanototra azy Felicien. Avy hatrany dia navantana teny amin’ny tranom-paty. Na dia alina aza ny andro, mbola tazana teny nanaraka ny nisy azy hatrany ireo olona marobe. Nitohy ny ampitso, omaly alahady. Olona aman’arivony maro no efa niandry azy teny amin’ny tranom-pokonolona Analakely, toerana izay voatokana hitondrana azy omaly maraina. Nitanjozotra ny olona nanao velona farany sy niondrika teo amin’ny tranovoron’ity mpanankato folaka an-datony ity. Nandrasana teto Andrenivohitra ny razana omaly alina, alohan’ny hitondrana azy any Toliara sy hamonjy ny fasan-drazany anio.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser