« Raha mivoaka ny fonja eo ireo namanay ireo, ho hitanareo ny anaovanay anareo ireo », izay no fandrahonana ataon’ireo tovolahy tsy mbola tratra namono nahafaty an’Ingahy Emile na Mily, tao amin’ny kaominina Antsiatsiaka, distrikan’i Fenerivo atsinanana.
Vokatr’ io fandrahonana ataon’ireo jiolahy tsy mbola tratra io sy ny fianakaviany amin’ireo fokonolona, dia mamofompofona « fitsaram-bahoaka » ny raharaha, raha misy tokoa ny mety ho fivoahan’ireo olona miandry fitsarana am-ponja amin’ity raharaha famonoana an’ingahy Mily ity. Raha hiverenana ny tantara dia ny 6 novambra teo, raha avy naka vola tao Toamasina sy tao Ampasimbe Manatsatrana, vidina jirofo mbola ahodina hividianana jirofo ihany koa, mitentina 60 tapitrisa ariary, i Emile 42 taona. Efa arak’ ireto jiolahy miisa 5 anefa izany ka nandrasan’izy ireo teo am-pidirana ny fokontany Antsapanana izy, ka nodarohan’izy ireo tamin’ny lohany, izay vaky nitresaka mihitsy. Niezaka nitondra ny havany hotsaboina ihany ny fianakavin’Ingahy Mily, saingy tsy tana ny ainy noho halaviran’ny toerana nahavoa azy sy ny toeram-pitsaboana nitondrana azy. Nanomboka teo ny fikarohana ka ny 10 novambra ihany noho ny vava tsy ambina nataon’ny iray tamin’ireo jiolahy, dia tratran’ny fokonolona ny 3 lahy izay mpivarotra ao Antsampanan’Antsiatsiaka ny iray. Taorian’ny famotoran’ny zandary tao Fenerivo atsinanana azy ireo dia niakatra fampanovana sy zokiolon’ny fitsarana izy ireo ka namoahana didy miandry fitsarana am-ponja. Ankehitriny anefa dia milaza ny hangataka famotsorana vonjimaika izy 3 lahy ireto, ka ny fahazoana izany andrasan’izy ireo hifanatrehan’izy ireo sy ny fiankaviany amin’ireo fokonolona ao Antsiatsiaka, tena atahorana hivadika fifamonoana faobe indray.
Efa mandray an-tànana ny raharaha ny solombavambahoakan’i Fenerivo Atsinanana sy ny ben’ny tanana ao Antsiatsiaka, ka mitaraina amin’ny fitsarana ny handray ny andraikiny sy handinika tsara ity raharaha vono olona nahatsiravina efa nomanina tao Antsapanana ity.
Malala Didier