Ny talata 17 aogositra lasa teo no niakatra fampanoavana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Fenoarivo-Atsinanana ireto jiolahy voarohirohy ho namaky trano fivarotana. Ny iray amin’izy ireo kosa no mbola karohina fa afaka nitsoaka ny fisamborana natao. Ny fantatra dia ny marainan’ny zoma 9 jolay tany no namakian’izy ireo tokantrano iray mpivarotra tao amin’ny fokontany Ambataria, Fenerivo-atsinanana. Taorian’izay dia nametraka fitoriana teo anivon’ny mpitandro ny filaminana ilay tokantrano lasibatry ny halatra, ka natomboka avy hatrany ny fikaroam-baovao tamin’izany.
Nisy ny olona efa nahiana tamin’izao raharaha izao ka natao andrimaso avokoa izay nataony rehetra. Raha natao ny fisavana ny tranony tao Terrain Mayer tamin’izay, dia sarona tao ny ampahany tamin’ireo entana halatra tao amin’ilay trano fivarotana, niaraka tamin’ny entana halatra hafa. Nanondro ireo namany avy hatrany ity olona tratra ity. Tratra sy Hita tao Ampasimpotaka ilay jiolahy nokarohana sy ireo entana halatra hafa izay tena maro tokoa. Misy tamin’ireo entana no nalevina tany ambany tany niandry mpividy. Tamin’ny fisamborana farany natao dia olona efa-dahy no voasambotra tamin’ity vaky trano ity. Araka ny fanazavana nentin’ny Kapiteny Serge Eltypica Princy Antonio, dia nisy 7 ny vaky trano efa nataon’izy efa-dahy ireto, ka ny 5 tamin’izany no toeram-pivarotana, tranon’olon-tsotra kosa ny 2. Ireto jiolahy ireto no tompon’antoka tamin’ny vaky trano niseho tao Sahorana ny alin’ny 10 jolay teo izay naharatrana mpiambina. Miantso ny mponina ao Analanjirofo ny Lietna-Kolonely Andriamambasoa Rindraniaina, kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary Analanjirofo, mba hifanome tanana hatrany amin’izy ireo amin’ny ady atao amin’ny mpanao ratsy.
Malala Didier