- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFenerivo atsinanana manohana ny Barea : Hanao “carnaval” lehibe ny mponina ny...

Fenerivo atsinanana manohana ny Barea : Hanao “carnaval” lehibe ny mponina ny alahady izao

Tahaka ny faritra maro manerana ny nosy dia isan’ny manohana ny ekipan’ny baolina kitra malagasy Barea any Ejipta miatrika ny lalao CAN ny ao Fenerivo atsinanana. Mitsanga mihitsy ny komity manokana momba izany ankehitriny, iarahan’ny ligy sy ny seksionina ao Fenerivo atsinanana, sy ny Festi-foot, ary ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina any an-toerana. Taorian’ny fivorian’izy ireo sy noho ny fiatrehan’ny ekipa malagasy ny ampahavalon-dalana ny alahady izao, fihaonana hifanaovan’ny Barea amin’ny ekipan’i Congo, dia manomana hetsika manokana izy ireo ka hisy ny “carnaval” lehibe hataon’izy ireo miaraka amin’ny vahoaka ao Fenerivo atsinanana hitetezana Tanana ny alahady izao. Manomboka amin’ny 08 ora izany ny alahady 07 jolay io izay hiainga eo amin’ny kianjan’i Sahavola Fenerivo atsinanana ka hitety tanana ary hifarana eo amin’ny tranom-pokonolona araben’ny fahaleovan-tena any an-toerana. Fanehoan’izy ireo ny fanohanana ny ekipa malagasy izao hetsika izao na tsy afaka ho any Ejipta hiatraka mivantana ny lalao aza izy ireo. Mifanohana amin’ny Barea no tanjona, satria ny fahazoana ny amboara mody eto Madagasikara no tanjona amin’izao hetsika izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici