- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversFenerivo atsinanana : Maty tampoka teo am-pikotranana maraina

Fenerivo atsinanana : Maty tampoka teo am-pikotranana maraina

Taitra ireo mpivarotra sy mpanao fanatanjahan-tena vao maraina teo amin’n sisin-dranomasina “la piscine” Fenerivo atsinanana nymaraim-ben’ny alakamisy 01 oktobra. Rangahy lehibe iray nandeha nikotra maraina no hita faty nitsirara teo amin’ny sisin-dranomasina. Raha ny fanazavan’ny mponina teny an-toerana sy ireo mpikotrana vao maraina eny amin’ny “la piscine” Fenerivo atsinanana, dia efa mpanao fitaizam-batana isa-maraina eny amoron-dranomasina ity rangahy ity hatramin’izay. Rehefa avy mihazakazaka  sy mitaiza vatana dia fanaony ny miroboka an-dranomasina sy milomano kely aloha vao miala. Loza anefa no nitranga ny 01oktobra teo fa nidaraboka tsy nahatsiaro tena izy vao vantany nikasa ny hiloany an-dranomasina avy nikotra iny, ka izao nitarika tamin’ny fahafatesany izao. Ho an’ny pitsabo nijery ny razana kosa dia resaka tosi-drà no nahavoa azy ka izao nitarika ny fahafatesany tampoka izao. Nanamafy izany raha teo ny ianakaviany satria efa taizan’aretina tosi-drà ity rangahy maty tampoka ity. Tsy marina ny feo mandeha hoe novoin’olona ny tenany tamin’izao nahafaty azy tampoka izao. Atoa Leva Laurent 65 taona mpiasa mpisotro ronon teo anivon’ny fandraharaharana ny fonja ny tenany. Efa nomena ny fianakaviany ny razana taorian’ny fanamarinana nataon’ny mpitsabo tamin’ny vatany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici