Nirongatra ny hain-trano tao Fenerivo atsinanana tato ho ato, ny fitaovana fanamboarana azy ihany koa mora mirehitra noho ireo vokatry ny tany hanaovana azy. Ny kaominin’i Fenerivo atsinanana koa manana olana goavana noho tsy fananany sampana mpamonjy voina na voafaritry ny lalana aza fa kaominina ambonivohitra. Ny alakamisy 12 nifoha ny zoma 13 novambre teo, sy ny alatsinainy 16 novambra teo ihany koa, dia trano 30 tafo no indray may, izay samy tao amin’ny fokontany Mahavelokely Amparatanana avokoa. Trano fonenan’ireo mpianatra avy amin’ny kaominina sy fokontany manodidina mandranto fianarana ao Fenerivo atsinanana avokoa izy ireo. Vokany dia mpianatra 44 no tsy misy ho raisina intsony na sakafo ho hanina, na fitafiana, na ireo kahie samy hafa amin’ny fianarany, saingy ny 32 no tena sahirana be amin’izy ireo. Ho fanampiana azy ireo dia nihetsika ny minisiteran’ny mponina nanampy azy ireo tamin’ny kojakoja maro samy hafa, ka isan’ireny ny kojakojan-dakozia, karazan-tsakafo, ary indrindra ny fanampiana ara-pitaovana, izay tena ilain’ireto mpianatra ireto maika amin’ny fianarany. Voalazan’ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpianatra may trano, fa ny tsy fitandreman’ny namanay sasany no nahatonga izao loza be ho azy ireo izao, ireo mpianatra hafa may trano kosa nahitsy fiteny ka sahy nilaza mihitsy fa nisy ninia nandoro ny tranon’izy ireo ; efa manao ny fanadiadiana lalina mikasika izany ny mpitandro ny filaminana ao Fenerivo atsinanana, mba tena hahalalana ny marina momba ity hain-trano nifanesy be loatra ity.
Malala Didier