Nitrangana hain-trano goavana tao amin’ny fokontany Andapateza kaominina Ampasina maningoro distrikan’i Fenerivo atsinanana, ny talata 24 aogositra lasa teo. Trano 43 no may kila forehitra ka 121 ny tra-boina tamin’izany. Raha ny fanazavana voaray dia vokatry ny tsy fitandremana no antony nahatonga ny firehetana. Vokatra izany dia ny zoma 27 aogositra teo no tonga tany an-toerana ny hiraky ny fitondram-panjakana nitondra ny tolo-tanana ho an’ireo tra-boina. Nitarika azy ireo tamin’izany ny governora ny faritra Analanjorofo Dr Randriamanantena Marcellin sy ny kabinetra ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena ho an’ny faritan’i Toamasina. Sakafo sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana an-davanandro no natolotra tamin’izany. Nilaza ny governora ny faritra Analanjirofo fa tsy adino izany ianareo tra-boina, fa mahita anareo ny fitondram-panjakana. Nisy ny fanentanana ny vahoaka tamin’izao fidinana ifotony natao izao ny mba hitandreman’ny rehetra, fa pitik’afo kely monja amin’izao andro maina no mahatonga ny tsy ampoizina amin’ny firehetan’ny Tanana iray manontolo.
Malala Didier