- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFenerivo atsinanana : Olona 16 narary voapoizin’ny fihinanana antsantsa

Fenerivo atsinanana : Olona 16 narary voapoizin’ny fihinanana antsantsa

Ny sabotsy teo dia nahazo antsantsa ny mpanarato iray monina ao amin’ny fokontany Tanambao Sahorana, Fenerivo atsinanana. Nilanja 80kg teo ity antsantsa ity ka namidy 4.000 ariary ny kilao. Faran’ny herinandro rahateo ny andro ka roboka ny olona nividy mba hihinana laoka matsiro. Ny sabotsy io ihany anefa dia efa nanomboka niseho ny aretina tamin’ireo nihinana ity antsantsa be nisy poizina ity, tamin’ny alalan’ny fanina sy narary kibo, saingy samy mbola tsy nisy taitra ny rehetra fa natao toy ny aretina mahazatra hatrany izany. Ny alahady teo dia nihombo ny aretina nahazo ireo nihinana ity antsantsa ity, saingy ny alatsinainy vao nahare ny zava-misy ny talem-paritry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono ao Analanjirofo ka nijery azy ireo. Teo vao notaterina teo anivon’ny hopitaliben’i Fenerivo ireo narary niisa 16, ka noraisina avy hatrany ny fitsaboana azy ireo ary tsy misy atahorana ny ain’izy ireo raha ny vaovao farany voaray talohan’ny nanoratana ny vaovao. Nambaran’ny talem-paritry ny fiompiana sy ny fambolena ary ny jono ao Analanjirofo, fa isan-taoana amin’ny vanim-potoana tahaka izao dia misy hatrany ny fanentanana atao momba ireo hazandranomasina sy hazandrano tsy azo hanina, nefa mbola misy mandika hatrany izany ka saika mampidi-doza tahaka izao hatrany ny zava-misy. Nomarihan’ity talem-paritra ity fa ny antsantsa dia tena tsy azo hanina amin’ny vanim-potoana mafana tahaka izao noho ireo lomotra haniny izay miteraka poizina ho an’ny olona mihinana azy, saingy tsy mankarary ilay antsantsa kosa. Mila mitandrina izany ny rehetra amin’ireo hazandranomasina tsy azo hanina amin’ny vanim-potoana tahaka izao misy antsika izao, hoy ihany ity talem-paritra ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici