Ny alatsinainy 21 oktobra teo tokony ho tamin’ny 09ora sy 40min dia nitrangana hain-trano tao amin’ny fokontany Morafeno P/elle voalohany ao Fenerivo atsinanana. Raha ny fanazavana azo dia fitselarana herinaratra tao amin’ity trano may ity no antony, satria mampiasa “panneau solaire” ilay tokantrano ho solon’ny herinaratra ao aminy. Naheno zavatra nipoaka ireo manodidina, satria efa tsy tao an-trano ny tompony, ka ilay bateria efa nirehitra no hitanay ary avy hatrany dia nahazo ilay trano. Ny famonjena ireo trano manodidina no nataonay avy hatrany hoy ireo mponina manodidina mba tsy hiitaran’ny afo, izay no nahatonga ity trano tokana ity ihany no may tamin’izao hain-trano izao. Tsy mbola manana fiara mpamonjy voina sy hain-trano ny kaominina ambonivohitry ny Fenerivo atsinanana hatramin’izao, ka ny ezaky ny fokonolona no tsy nampitatra ny afo. Vola mitentina 1.260.000 ariary no levon’ny afo tamin’izao hain-trano izao, ankoatra ireo fananana, tombanana ho 4.000.000 ariary kila forehitra tao amin’ity tokantrano may ity. Mbola nijery fotsiny ny zava-nisy hatreto ny BNGRC ao Fenerivo atsinanana noho ny olana mbola iainany hatramin’izao, ka tsy afaka namonjy ireo olona may trano tamin’ity tokantrano ity.
Malala Didier