- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversFenerivo atsinanana : Tsy hita nandritra ny iray volana, taolana sisa i...

Fenerivo atsinanana : Tsy hita nandritra ny iray volana, taolana sisa i Tombo Raphael sy Roland

Ny alatsinainy 09 septambra no tonga tao Ampaimpontsy, kaominina Ambatoharanana Fenerivo atsinanana, ireto mpirahalahy Tombo Raphael sy Ingahy Roland, handeha hiatrika ny fahafatesan’ny rahalahan’izy ireo tao an-toerana tamin’izay fotoana izay. Raha vita avokoa ny raharaha rehetra sy ny pitsopitsony tamin’ilay fahavoazana dia ny talata 10 septambra no niala tao Ampasimpotsy izy mirahalahy hiverina hamonjy ny toerana fonenan’izy ireo avy. Tsy fantatra anefa ny zava-nitranga teny an-dalana fa raha ny zava-nisy dia nisy tranga vono olona niseho taorian’izany, saingy ny 08 oktobra teo no nahatsikaritra fofona maimbo avy ao amin’ny ala manakaiky ny fasan-dry mompera ao Fenerivo atsinanana ao amin’ilay toerana antsoina hoe St Benoit ireo mpandalo tamin’ity lalana ity. misy ny olona tsy rototra tamin’ilay fofona, misy kosa ireo te hahita hoe inona marina ity fofona maimbo be hafahafa tampoka ity. Raha nozahana dia olona efa taolana sisa no hita tao, saingy tsy lavitra teo ny akanjon’ireo olona maty efa taolana fotsiny ireo. Raha vao naheno ny fisian’ity olona maty efa taolam-potsiny ity ny havan’i Tombo Raphael sy Roland dia nandeha nanamarina ihany koa, ka voamarina tamin’izany fa izy roa lahy mpirahalahy tokoa ity efa taolam-potsiny ity, satria ireo lamba teo akaikin’ilay taolam-paty no nahalalan’ny havany izy roa lahy. Nahita dian-kodiaram-piara koa teo akaikin’ny fatin’izy roa lahy ireto na efa iray volana aty aoriana aza. Ny fisian’io diam-piara tsy fantatra mazava io no miteraka horohoro ho an’ny vahoaka ao Fenerivo atsinanana sy ireo vahoaka mampiasa ny lalana mandeha amorondrano amin’izao fotoana izao

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici