- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFenerivo Atsinanana : Zaza telo maty nihinana soka-dranomasina

Fenerivo Atsinanana : Zaza telo maty nihinana soka-dranomasina

Nisehoana fanapoizinana ara-tsakafo tao amin’ny kaominin’ Antsikafoka Fenerivo Atsinanana, ny faran’ny herinandro teo noho ny fihinanan’ny mponina ity soka-dranomasina na fano ity no niteraka izany fanapozinana ara-tsakafo izany. Raha ny fanazavana, dia ny sabotsy teo no nahazo ity hazan-dranomasina sokatra na fano ity ireo mpanarato tao an-toerana, ka  ambaran’ny mponina fa tsara hena ity sokatra ity, dia samy nividy ny ankamaroan’ny mponina, satria 4.000 ariary rahateo ny kilao tamin’izany. Taorian’ny fihinanana ilay sokatra na fano, dia nahatsapa tsy fetezana  fahasalamana avokoa izy ireo; ka tao ny fanimpanina, tao ny naharary an-doha, ary tao ny tonga dia nivalana nipiriritra avy hatrany. Nisy 43 ireo tratran’izany aretina vokatry ny fanapozinana azo tamin’ity sokatra an-dranomasina na fano ity, ka nentina teo anivon’ny hopitalin’i Fenerivo Atsinanana notsaboina. Nisy koa tao anatin’izay zaza telo 10 volana, 09 volana, ary efa-bolana, ninono tamin’ny reniny maty vokatry ny tanjaky ny poizina tamin’ilay hazan-dranomasina sokatra na fano nohanin’ireo mponina. Nambaran’ny teknisiana, fa mila fitandremana ny fihinanana ireny haza-dranomasina  fano ireny amin’izao vanim-potoana mafana volana izao, satria mihinana zava-maniry any anaty ranomasina mamokatra poizina ireo hazan-dranomasina ireo, ka mitahiry ao anatin’ny taovany ny poizina fa tsy mahafaty azy. Tsy misy ahiana intsony ny fahasalaman’ireo mbola tsaboina ao amin’ny hopitaly ben’i Fenerivo Atsinanana, noho  ny fitsaboana voarain’izy ireo avy.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici