Ny taona 1919 no niorenan’ny Sekoly fanabeazana fototra Garbit na EPP Garbit
eto Antsirabe, efa niova ho EPP de avenue de independence moa no fiantso azy
ankehitriny na dia mbola mitazona izay anarana EPP Garbit izay ihany ny sekoly
ankehitriny.
Raha tsiahivina dia ny Governora Jeneraly Hubert Garbit tamin’ny andron’ny
fanjanahan-tany no nanorina ity sekoly ity ka izao nampitondraina ny anarany
izao. Mbola misy ny taranany ankehitriny Atoa Jean Pierre Garbit tonga
nanamarika ity Jobily faha 105 taona ny sekoly ity ny 22 novambra 2024 lasa
teo notronin’ireo maintimolaly, mpampianatra traininy. Ankoatra izay dia
nanolotra lelavola 2 tapitrisa ariary ny fiadidiana ny faritra Vakinankaratra
hoentina hanatsarana ny sekoly sy ny tontolon’ny fampianarana ao amin’ny
EPP Garbit.
Andry N.