Nanamarika ny andro maneran-tany ho an’ny fizakamanana ara-tsaina ny teto Antsirabe ka ny faritra no nampiatrano ny lanonam-pankalazana ny adron’ny zoma 26 Aprily 2024 lasa teo. Loahevitra norasina ny hoe « Fizakamanana ara-tsaina sy tanjona amin’ny fampandrosoana maharitra : Manorina ho avy iombonana ho amin’ny famoronana sy fahita vao ».
Nifanindry an-dalana tamin’ity fotoana ity ihany koa ny fanamarihana ny faha 30 taonan’ny OMAPI na Ofisy Malagasy ny fizakamanana ara-tsaina. Mitana toerana lehibe eo amin’ny lafiny fampandroana ny firenena iray ny fampiroboroboana ny fizakamanana ara-tsaina indrindra ny fiarovana ny asa famoronana. Tsy lasa danja amin’ny faritra hafa ny faritra Vakinankaratra amin’ireo karazana asa fikarohana vokatry ny saina, antony iray nosafidianana ny faritra hanamarihana ny andro manarenan-tany ho an’ny fizakamanana ara-tsaina.
Tatitra fohy mahakasika ny asa vita, fijoroana vavolombelona ary varavarana misokatra fampafahafantarana ny OMAPI sy tranoheva maromaro ireo no hetsika nentina nanamarihana ity fotoana lehibe ity teto Vakinankaratra. Efa nisy kosa ny asa nataon’ny teo anivon’ny OMAPI, notarihan’ny tale jeneraliny Andriarivo Pricilla niolohavan’izao fanamarihana teto Antsirabe ary hitohy any amin’ny faritra hafa.
Andry N.