- Publicité -
mardi, novembre 4, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe :  Feno 90 taona ny Ave Maria

Antsirabe :  Feno 90 taona ny Ave Maria

Tsangambato faha 90 taonan’ny Ave maria

Nanamarika ny faha 90 taona nijoroany ny clinique Ave Maria eto Antsirabe. Hopitaly iray isan’y goavana eto Antsirabe ny Clinique Ave Maria, marihina fa hopitalim-pinoana izy ity. 

Ny 16 oktobra lasa teo no nankalazana ny jobily, amin’ny maha hopitalim-pinoana azy izay dia sorona masina notarihan’I Son Excellence Monseigneur Jena Pascal Andriantsoavina evekan’Antsirabe no nanombohana ny fotoana narahina lanonana sy fandraisam-pitenenan’ireo vahiny sy ny solontenam-panjakana mbola nijoro nanotrona ny fotoana. Nisolo tena ny fiadidian’ny faritra Vakinankaratra moa I Rtoa Ida Jacqueline Rakotonirina Sekretera jeneralin’ny faritra Vakinankaratra.

Marihina fa efa maro ny tolotra ara-pahasalamana omen’ny Hopitaly Ave Maria, efa manana ny fitaovana fanaovana “scanner” izy izay isan’ny tena miasa tokoa raha eto Antsirabe fa tsy voatery miakatra ao Andrenivohitra intsony ny mila izany.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici