Tsy misy tafo, tsy misy gorodona. Lamba no natao rindrina efatra. Dia izay no ampanofaina ireo mpivarotra fahafinaretana izay mitondra mpanjifa ao. Misy izany ankehitriny eny amin’iny moron-dranon’Ikopa iny. Efitra roa ny ao anatiny ka ny iray dia natao fidiovana ary ny faharoa kosa firaisana ara-nofo. Ny ranon’Ikopa ihany mazava ho azy no ampiasaina ao anatin’ity orinasa hafahafa ity. Tena tonga amin’izany ankehitriny ny zava-misy eto an-drenivohitra noho ny antony tsy mila hazavaina intsony. Tonga teny an-toerana ny tompon’andraikitry ny fahasalamana nanentana ireo mpivaro-tena mahakasika ny areti-mifindra sy ny manodidina izany.
D.R