Tsy mbola nisy ohatr’ity tamin’ny tantaram-pifidianana teto amin’ny firenena. Iray andro mialoha ny fifidianana, nosamborina ny ben’ny tanànan’i Maromandia (Faritra Sofia) rehefa nahatratrarana lisi-pifidianana hosoka tao amin’ny kaominina Bejofo. Nisy zandary afak’asa nalaina niaraka taminy. Olona telo no nosamborina tamin’ity raharaha ity. Teto an-drenivohitra, teo Anosizato-Atsinanana nisy olona iray nosamborina. Torak’izany teo Anosibe. Izy ireo dia nitondra. kara-pifidianana efa voamarika. Tany Mahajanga, mpiray lisitra amin’ny kandidà nosamborina, mbola resaka bileta efa voamarika hatrany. Tany Fenoarivo-Atsinanana, nisy lefitry ny sefo fokontany tratra ambodiomby momba ny hosoka ary nifona ampahibemaso. Nosamborina ihany na izany aza. Efa nisy ihany ny mpisintona lakolosy fanairana roa andro mialoha ny fifidianana, mahakasika ny fomba hisehoan’ny hala-bato sy ny manodidina izany. Ary dia nipoitra tsikelikely tokoa ny tranga ny tontolo andron’ny omaly. Mbola marobe ny tranga saingy ireo no hita sary sy vidéo niparitaka ary koa voamarina teo anivon’ny mpitandro ny filaminana ny fisian’ny fisamborana. Nafampana omaly ny toe-draharaha politika, tsy teto an-drenivohitra ihany fa tamin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Vao tsy nanomboka akory ny fanisam-bato dia efa raikitra ny savorovoro sy ny fiantsiana ary ny fanambaràna isan-karazany.
D.R