
Ratsy loatra ny tsirony. Samy nahatsikarika izany ny mpifoka sigara tato ho ato. Indrindra ireny sigara vidina amoron-dàlana ireny. Misy faikan-javatra tsy mety may tampoka izany ary dia maty hoazy ny sigara. Misy hosoka miparitaka ve sa kosa efa tsy firaharahiana ny kalitao tsotr’izao fotsiny avy amin’ny mpamokatra? Ny vidiny anefa dia tena midangana ary tsy mitsahatry ny miakatra isan-taona. Isan’ny tena mandoa hetra lafo arak’izany ny mpanjifa, eny fa na dia tsy misy manome lanja firy aza izany satria mibahana kokoa ny hoe manimba fahasalamana izy ireny. Na izany aza, mila mba jeren’ny mpamokatra akaiky satria vao maika koa toa manapoizina ireo olona ity fisian’ny fivarotana sigara rehefa jerena kanefa faikan-javatra hafahafa sady ratsy tsiro ny ao anatiny.
D.R