Efa tsy milamina mihintsy ny tany amin’izao fotoana, hatramin’ny lalam-pirenena faharoa ankehitriny misy mpangalatra entana ambony fiara fitaterana. Tsy fantatra marina ny faritra hiakaran’ireo mpangalatra amboniny fiara, fa ny azo hinoana aloha dia mandritra ny fiandehanana mora amin’ireo lalan-dratsy ireo mpangalatra efa matihanina no miakatra ambony fiara. Fiara iray avy amina kaperativa iray mampitohy an’I Toamasina sy Antananarivo no niharan’izany raha niala teto Toamasina ny alin’ny alatsinainy ka tonga tao Antananarivo ny talata maraina. Teo ampidinana ny entana vao tsikaritra fa entana tokana sisa hita teo amin’ny tafon’ny fiara, ka voatery nandray ny andraikiny nanonitra ny entana very ilay koperativa nanana ny very, izay nanome vola 100.000 ariary tsirairay avy na tsy izay aza ny sandany entana very. Tsy hita ny atao fa tampoka tsy nisy nanampo ny rehetra tamin’ny zava-nitranga, ka anentanan’ity koperativa ity ny mampiasa ny lalam-pirenena faharoa amin’ny fitandremana, fa efa betsaka ny olon-dratsy amin’izao fotoana izao.
Malala Didier