- Publicité -
dimanche, avril 27, 2025
AccueilFaits-DiversFenoarivo : Andiana mpanendaka ravan’ny zandary

Fenoarivo : Andiana mpanendaka ravan’ny zandary

Dimy lahy izy ireo, manodidina ny 17 ka hatramin’ny 22 taona, avy etsy Anosibe, ary tonga manao ny asa ratsiny eny Fenoarivo. Ny harivan’ny alarobia teo ry zalahy ireto no voapaingotry ny zandary , teo amin’ny sampanan’i Malaza, fokontany Ampefiloha, kaominina Fenoarivo, raha iny teo am-panaovana ny asa ratsiny iny. Raha ny fampitam-baovao azo, dia ankevitry ny efa tokontany filalaovan’ireto andiana mpanendaka ireto mihitsy iny faritra iny, ary mitily ireo olona mandeha irery na sendra ny fotoana mangingina tsy dia misy mpandalo ry zalahy hanendahana azy ireo. Ny mampihoro-koditra dia tsy menatry ny mibata sy mibeda izay olona voasakana ry zalahy, ho any amin’ny toerana tsy misy mahita, hanararaotan-dry zalahy hangalarana izay rehetra eny amin’ilay olona. Toy ny nitranga tamin’ireto mpivady, handeha hody ireto, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany hariva tany ho any. Efa somary maizina ny andro tamin’izay, iny dimy lahy nipoitra tampoka avy any ary nibeda avy hatrany ilay rangahy. Tafiala ary tafatsoaka kosa ramatoa vadiny, niezaka niampita arabe ary niantso vonjy. Tao anatin’indray mipi-maso monja anefa no nanendahan’izy dimy lahy ny « radio carte », marika JBL teny amin’izy ireo, niaraka tamin’ny poketra sy sakaosy. Nisy avy hatrany fanenjehana nataon’ireo olona nahita, nampian’ireo zandary, tao anaty fisafoana tsy lavitra teny an-toerana. Voasambotra fotoana kely taorian’io ny roa lahy, tamin’ireo mpanendaka. Tsy ela ihany koa dia voatondro ary voasambotra ireo namany. Mazava ho azy fa mbola hita teny amin’izy dimy lahy ireto, ireo entana vao avy nangalarin’izy ireo. Nentina natao famotorana avy hatrany moa ry zalahy ireto ary natolotra teny anivon’ny Fampanoavana taorian’io. Anisan’ny faritra mena amin’ny resaka tsy fandriampahalemana iny Anosibe sy ny manodidina iny. Antony nandraisan’ireo mpitandro filaminana paikady manokana entina hiadiana amin’izany. Tsapa ho nahazoam-bokatra izay satria somary nihenkena izany teny an-toerana. Ny olana anefa dia io nifindra lasy ireo mpanao ratsy ka lasa namorona tokontany filalaovana hafa indray, kilaometatra maromaro niala ny nisy azy taloha …

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici