- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversFenoarivo Atsinana: Fanapotehana ny biraon’ny JIRAMA, olona 3 nosamborina

Fenoarivo Atsinana: Fanapotehana ny biraon’ny JIRAMA, olona 3 nosamborina

Taorian’ny nanapotehan’ny olona ny biraon’ny JIRAMA tany Fenoarivo Atsinana dia fantatra izao fa olona telo no nosamborin’ny mpitandro filaminana tany, omaly. Hampangaina izy ireo fa nandoro sy nanimba fananan’olona.

Ny alin’ny alakamisy tokony ho tamin’ny 8 ora, tonga marobe teny amin’ny biraon’ny JIRAMA ny olona nentin-katezerana ary nilaza fa leon’ny fahatapahan’ny jiro matetika miseho. Tamin’izao fotoana izay dia nandeha avy hatrany ny tora-bato sy ny fandorana kodiarana. Nisy ireo tonga dia niditra tao amin’ny birao. Tsy afaka nanao na inona na inona ireo mpiambiana roa lahy fa zary nitazam-potsiny. Nanomboka teo ny fanimbana. Nisy ny namoaka ny fitaovana tany ivelany, toy ny ordinatera sy ny zavatra fampiasa andavan’andro. Avy hatrany dia nopotehina avokoa ireo rehetra ireo, anisan’izany ny moto izay nodorana avy eo. Tonga ny mpitandro filaminana ary voatery nanapoaka grenady mandatsa-dranomaso mba hanaparitahana ireo olona marobe.

Taorian’ity sakoroka ity dia nandeha nidina tany an-toerana ny minisitry ny Angovo sy tompon’andrikitra maromaro avy ao amin’ny JIRAMA. Fantatra tamin’izany fa omena “groupe” ny tananan’i Fenoarivo hamahana ny olona misy any an-toerana.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser