Manoloana ny tsy fisian’ny solika noho ny fikorontanan’ny famatsiana ateraky ny fitokonan’ny ladoany ao Toamasina, dia manjaka ny varomaizina misy amin’ireo toby mpaninjara solika ao Fenoarivo Atsinanana. Tafakatra 8000 Ar amin’izao ny litatry ny lasantsy, ary 7000 Ariary ny gazoala raha mahita. Noho ny tsy fahampian’ny famoahana solika ao amin’ny toby Manangareza vokatry ny fitokonan’ny mpiasan’ny ladoany, dia mananosarotra toy izay ihany koa ny fahitana solika, indrindra ny lasantsy izay ifampitadiavana ao Toamasina. Ny amin’ny toby mpaninjara sasany hany mba nisy, ilaharana ny solika. Nanampy trotraka izany ny feo mandeha fa mety tsy hisy solika ato ho ato, ka mikoropaka ny rehetra. Araka ny tati-baovao mari-pototra voaray, dia solika 36.000 litatra an’ny Jovenna tokony halefa aty Antananarivo no notazomina ao Toamasina, ka efa ritra sahady noho ny filaharana.
Eric Manitrisa