Lehilahy iray voalaza fa isan’ireo nandray anjara nivantana tamin’ny vono olona nitranga tany Fenoarivo Atsinanana no voasambotry ny zandary. Tratra tany aminy moa ny basy poleta vita gasy miisa telo miaraka amin’ny bala.
Tena manambaka tanteraka ny basy poleta avy any am-pitandranomasina mihitsy ireto basy poleta vita gasy saron’ny zandary tany amin’iny distrika Fenerivo Atsinanana ireto. Miisa telo izy ireo araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandarimariam-pirenena. Tsy vitan’ireo ihany anefa fa mbola sarona ihany koa ny bala « calibre 9mm » sy fonom-banja (étuis) efa nampiasaina miisa roa ary fitoeram-bala roa. Omaly maraina izy ireo no hita tao amin’ny tokantranon’ny lehilahy iray, tao Tsaratampona, kaominina Ambatoharanana, distrika Fenoarivo Atsinanana. Raha ny vaovao azo hatrany dia voalaza fa jiolahy raindahiny, efa voarohirohy tamin’ny resaka vono olona niisa roa, ny voalohandohan’ny volana septambra, ity olona nahatratrarana basy vita gasy ity. Vono olona izay nitranga tao Fenoarivo Atsinanana hatrany, ary saika tsy hita mihitsy ny vatana mangatsiakan’ireo olona novonoiny tamin’io fotoana io. Efa nisy mihitsy aza moa ny didy fampisamborana ity olon-dratsy ity tamin’izany fotoana izany, antony nahatonga ny fikarohana azy ary dia izao niafara tamin’ny fahatratrarana azy sy ireo fitaovam-piadiana izay inoana fa fentiny manao ny asa ratsiny. Hatolotra ny Fampanoavana tsy hoe ela moa ity lehilahy ity, aorian’ny famotorana sy ny fakàna am-bavany atao aminy.
m.L