- Publicité -
lundi, septembre 15, 2025
AccueilFaits-DiversFenoarivo Atsinanana : Frantsay voatafika tao an-tranony

Fenoarivo Atsinanana : Frantsay voatafika tao an-tranony

Misy valo ireo jiolahy  nanafika azy ary nitondra kibay sy zava-maranitra. Nidirany an-keriny tao ary nodarohana avy hatrany ilay vahiny, ny harivan’ny alahady teo. Raha araka ny vaovao nampitaina dia fandrobana ny entany no anton’ity fanafihana ity. Lasa ny « ordinateur portable »  enina tao aminy ary koa finday telo. Nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ity vazaha ity mba ho fanavotana ny ainy. Vetivety indray dia niely tao an-tanàna ity tranga ity, indrindra koa mbola betsaka ny mpiala sasatra any an-toerana, ary isan’ny tena betsaka mpifidy rahateo i Fenoarivo Atsinanana amin’ny vanim-potoana toy izao. Malaza amin’ny fisian’ny jiolahy ao an-toerana ary mailo hatrany ny olona na dia miala sasatra aza.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici