Trano 7 lasa lavenona, 2 voatery noravana. Ireo indray ny trano may tao amin’ny renivohitry ny faritra Analanjirofo ny faran’ny herinandro teo. Ny 3 tamin’ireo dia an’ny olon-tsotra monina ao amin’ny fokontany Mahavelonkely. Ny 4 kosa dia an’ny mpanao politika iray nanorim-ponenana ao Fenoarivo Atsinanana. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy nisy niangana ireo trano vita amin’ny hazo, izay nohanin’ny afo. Nitranga tao anatin’ny torimason’ny iray tanàna ny afo nijoalajoala teny an-toerana. Hany hamonoana ny afo ny fitaterana ny rano avy amin’ny vovondrano. Tsy misy fitaovana entina miady amin’ny haintrano toy izao amin’ity renivohitry ny faritra ity. Efa matetika mitranga anefa ny haintrano any an-toerana, tsy misy ny hetsika mba nataon’ny mpitondra. Ho an’ity fonenan’ity mpanao politika ity, efa intelo izao no nisy nikasa handoro ny toerana misy azy. Sady fonenana izy io no misy ny toeram-pihariana. Nitranga tao anatin’ny herinandro izany rehetra izany. Nisy ireo nitranga roa voalohany, dia tamin’ny andro antoandro, ary tao aorian’io tamin’ny 7 ora alina tany ho any. Tamin’io, hita avy teny amin’ny tafo ny fiandohan’ny afo. Soa ihany fa mbola maro olona teny an-toerana ka mora ny famonoana ny afo tamin’ny alalan’ny fifanomezan-tanana. Izao faninefany izao vao may tanteraka ny tananan’ilay mpanao politika. Efa nokendrena manokana mihitsy ity fonenan’ny mpanao politika ity, raha fihevitry ny mponina any an-toerana. Ny mampalahelo dia lasibatry ny fandorana niniana natao ny fonenan’ny olon-tsotra tsy manao politika. Tombanan’ny maro fa nokasaina ho may tamin’ireo trano miisa 26 may teo amin’ny toerana aloha kelin’ilay may ny 14 septambra ireto lanin’ny afo ny faran’ny herinandro teo ity. Nitombo 22 araka izany ireo traboina ao Fenoarivo Atsinanana. Tsiahivina fa miisa 126 ireo traboina tamin’ny haintrano nitranga ny alahady 14 septambra lasa teo. Ahiana ho feno arivo ireo traboina vao hijanona izao haintrano izao.
Jean – Claude STEVE