- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversFenoarivo Atsinanana : Mpandraharaha fanta-daza amin’ny lavanila, nampidirina am-ponja 

Fenoarivo Atsinanana : Mpandraharaha fanta-daza amin’ny lavanila, nampidirina am-ponja 

Rehefa nandalo Fampanoavana, dia nabodoka am-ponja vonjimaika, ny zoma teo, ireo dimy lahy voasaringotra tamin’ny halatra lavanila manta sivy kitapo, tany amin’ny Fokontany Ambinan’ Iazafo, Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana. Raha ny vaovao voaray, dia mpandraharaha fanta-daza iray ao Fenoarivo Atsinanana ny iray tamin’ireo naiditra am-ponja, satria nandritra ny famotorana natao an’ireo efa-dahy sarona tamin’ity raharaha halatra lavanila ity, dia nanambara sy nanondro izy ireo fa ity mpandraharaha ity no atidoha (gros poisson) maniraka azy ireo sy mpividy ny lavanila halatra. Toy ny mahazatra moa, dia nodorana imasom-bahoaka ireo lavanila maitso tra-tehaka.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici